ny soratrao (vals cristian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lny soratra iny sisa
No hany manambara ,ireo lasa fahizay
lreo efa vitantsika,ny androm-paradisa
Ilay voady mba ho iray
lo soratrao io ,no mba mampatsiahy
Ny fisinao teo amin'ny fianako
Ianao lay tsy nahafoy ,tsy mba nahasaraka ahy
Tsy mba nanda ilay tarainako
Toa tsy haiko angamba ny hanarona
Sy hanadino izay vitanao
Nanitsy mantsy ianao ,sady nanarina
Tsy mba nihevitra ny handao
Eh , ity soratrao sisa indrisy
No mba solonao anilako eto
Tsy mino aho aloha hoe mbola hisy
Ny toa anao re hatreto
Na toe-panahy ,na fitiavana
Voatahirin'ity soratra ity
Tsy nisy fankahalana mantsy na fandavana
Fa tia ianao dia tena tia
Ho ahy, mitahiry fahatsiarovana
lny soratananao
iny
Ireo disadisa nolalovana
lreo sedra maro niafiana
Ny ranomasoko toa tsy ho tanako
Mibanjina ty solon-tenanao
Ity ihany koa re ny soratanako
Mba hamintinako aminao
lreo lasa tsy hadinoina
Ho toy ny soratrao ato an-trano
Tsy ho faty na ho vonoina
Amin'izay mba tsy ho angano
Fa ho raiketiko an-tsoratra
Ny lasantsika roa
--------
Rohy:
Sokajy : fahatsiarovana
1650 2
Mpakafy: valiis - miartiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139