You are here: home > Vetso

Tiako ianao - vals cristian

Azo vakiana?

Tiako ianao
Tena tiako
Ny hiara tsambatra aminao
No mba hany faniriako
   Tsy mety miala ato an tsaiko
   lzay no masaka ao an-dohako
   lzay anjara nefa mbola tsy haiko
    fa ho ahy ianao raha ny finoako
Tiako ianao
Ka tsy tiako ho soloina
Mamy ho ahy ny anaranao
Ka tsy foiko ho vonoina
   Ekeko fa tena maro
   lreo tsara bika noho ianao
   Tsy foiko anefa ,tsy atakalo
   Tsy mila hafa aho ,ankoatra anao
Tiako ianao
Ka ho hàjaiko fatratra
Hiezaka ny hilefitra aho
Satria tsy misy ny atao hoe lafatra
  Raha misy ny hadisoina
  lzay ataoko na ataonao
  Dia tsy maitsy ho hadinoina
  Tsy hitoetra ela ao
Tiako ianao
Ho ahy irery mandrakizay
Ka ho izaho sy ianao
No hitambatra ho iray
  Tiako ianao
  llay anjelin'ny fiainako
  Tiako Anilako eo foana ianao
  Mba hihaino ny tarainako
Sy hanohana ahy
Raha reraky ny ady
Ilay hery hanampy ahy
Mba hiarina sahady
Tiako ianao
Mba tsy ho lasan olon-kafa
Fa ho ahy foana hatramin'izao
Ianao no efa kinasa
.....
  TIAKO IANAO
vals Natiora

23-06-2016

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha