You are here: home > Vetso

Donam-pitia - Vetso mena

_ lay fo voadona ka nitomany
Very olon-tiana lasa tany ho any
Nankarary mafy nahalatsa-dranomaso
Fa izay ny Aminy fa nilaozany ianao

_ alahelo mafy tsy nahitana torimaso
Toa nangina nankarary nahavoa ny tazo
Tena mafy Taminy nilaozan'olon-tiana
Nefa izay no anjara, tsisy nenina raha tsy efa tara

_ ny tomany sy eritreritra sisa no hery
Mahatsiaro ireny lasa, teny kely efa voateny
Ary ankehitriny mbola anatin'ny saina
Ity olona iray izay nafoizana ny aina

Hametraka hevitra

Midira aloha