Fitia adaladala (Vetso mena)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ Efa ela ihany aho, no naniry anao ry tovovavy
Efa ela no naniry, naniry anao ho lasa vady
Kanefa hay moa fihetsem-po miserana ihany
Tsy ho tanteraka intsony izany raha ny androany.

_ Na naniry aza ny fo, ianao efa an'olon-kafa
Tsy ho ahy intsony na dia niriako ho fananana
Saingy ny foko tsy hanaiky ry tovovavy iriako
Fa mbola mikasa anao hatrany ny hovadiko

_ Ianao ry tovovavy, manembona ny fitiavako
Ianao ry tovovavy, no mahalasa adala ny fiainako
Ianao ry tovovavy, mbola tiako foana hatramin'izao
Na dia fantatro aza, fa efa manana ny olon-tianao.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
719 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146