Hay ianao no tiako ! (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanandrana aho nitia, nanadrana ny hiara-dia
Dia nolaviko ianao, fa izy no mba niriako
Diso anefa aho, nisafidy ny ho tia
Olona efa nanimba ny fiainako sy ny fitiavako

Nilaozanao aho vao tsapako fa diso safidy
Nilaozanao aho vao nahatsapa fangirifiriana
Izao vao tena fantatro fa ianao ihany kay no izy
Ka iriako ho ianao no mba antsoiko ho olon-tiana
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Aingam-panahy - Fitiavana
544 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149