Iny alina iny (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny alina iny, teo am-baravarakely teo
Taitra izato saina nahare izany feo
Toa olona mitomany no tokana mba re
Sady tovovavy iray izay toa efa fandre

Niezaka nitazana, avy aiza izany feo
Nefa toa tsy reko tampotampoka teo
Lasalasa ny saina fa inona no mitranga
Ka dia nivoaka naka saina teo an-davarangana

Iny alina iny, toa nisy tempo, fo iray
Namentsoventso tao anatin'ny Fanahy
Tsy hay hoe avy aiza, na inona no antony
Fa nilaza foana izy hoe: "aoka ho tony"

Iny alina iny mantsy, namafa ireo alahelo
Ka ny afon'ny fitia no tonga namerovero
Iny alina iny no nentiko nanoratana indray
Ireo singan'ny fitia anaty aingam-panahy.

Iny alina iny, namafanao ireo alahelo
Iny alina iny, no namentsoventso ilay feo
Iny alina iny, rakofan'ny fanantenana vaovao
Iny alina iny, fanantenana ilay maraina vao
--------
Rohy:
756 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144