You are here: home > Vetso

Iny olon-tiako iny - Vetso mena

Azo vakiana?

Iny olon-tiako iny na tsy ho Ahy aza ry tompo
Mba tiako harovanao, omenao izay mahasoa
Iny olon-tiako iny na dia nankarary an'ilay foko
Iangaviako Aminao ry Tompo, mba vontosy zava-tsoa

Tsy anjara moa ny anay ka ataoko akory
Fa aleoko mionon-tena, mitady any an-kafa
Tsy mety hoe izahay no miaraka, fa mba koloy
Iny olon-tiako iny, any an-tanan'olon-kafa.

Tsy hanozona Azy aho, na koa maniry ny ratsy
Fa tanterahiko ilay toky, lay tokiko Fahiny
Hoe ny fahasambarana no iriako ho Azy
Lay hasambarany eo anilan'ilay olon-tiany

Hametraka hevitra

Midira aloha