You are here: home > Vetso

Mahantra aho - Vetso mena

Azo vakiana?

_ fantatro ary tsapako ilay fahantrako
Mampakivy, maha-ory, namparary anaty
Fantatro ary aiko, fa tsy manana aho
Toy izay no hilazako ny androko androany

_ mahita ny manodidina aho, toa mba manana
Mahavita mividy akanjo, mihinana etsy sy eroa
Izaho toa irery, ato anaty akanjo tokana...
Rehefa mahita hohanina iny, dia efa mahasoa

_ eny an-dalam-be no mba tranoko itoerako
Tsy mba misy bodofotsy na lamba irakofana
Baoritra sy lambakely ary kapoka no ananako
Eny fantatro ary tsapako, fa izaho koa mahantra

Hametraka hevitra

Midira aloha