Mahatokisa (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omaly fony isika niresaka
Nilaza tamiko ianao tsy nisalasala
Hoe ahoana ny fahitako ny fiarahantsika
Sa ny halavirana mety mampihena ny fitia ?

Dia hoy aho taminao hoe tsia !
Izaho tsy handao anao sanatria
Fa ny halavirana sedra ihany
Fa ny fitia dia mandra-maty

Hoy indray ianao hoe atao ahoana
No hampaharitra raha tsy tafihaona
Ka novaliako hoe toy ny rehetra
Fifampitokisana no atao tarigetra

Raha mifampatoky manko isika
Na tsy mihaona aza dia mifankatia
Tsy tokony ho sakana ny halavirana
Ary koa isika samy mba mirana

Raha sendra tojo olana koa
Dia hifanampy foana isika roa
Hiara-misedra na mora na mafy
Fa ny antsika fitia mandra-maty

Mahatokisa ianao ry tiako tsy foiko
Fa tsy handao anao aho na ho adinoiko
Fa ianao no nofinidiko, ianao no anjara niriako
Ka na amin'ny mora na amin'ny sarotra, ianao foana no tiako

Mahatoky anao aho, hoy ianao tamin'izay
Fa isika roa koa no efa natao ho iray
Na dia teo aza ny sedra nolalovana
Dia hiarahana misedra avokoa ireo olana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
450 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139