Mandehana ry sakaiza - 28/06/2022 (Vetso mena)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandehana ry sakaiza, aza miverina akory
Avelao aho ho irery eto fa ny lalanao no zory
Ny tanjontsika samihafa, eto no misampana ny dia
Ry sakaiza mandehana... Avelao ny foko hiriaria

Fa isan'andro lava izao, dia izaho no vato misakana anao.
Iriako ianao ny handroso, fa tsy tiako ho lavitra sao hifandao.
Androany anefa dia tsapako, ka dia entiko am-bentsoventso.
Fa ianao ry sakaiza no niankinako, saingy tsy afaka ny hijanona eto.

Mandehana, mahalasa, tsinjovy ny ho avinao.
Ary aza avela hisy hanakana amin'ireo tanjonao.
Hisaraka eto indray ny dia, ka veloma re ry namana.
Tsy ho mandrakizay anefa fa mbola hisy fotoana hihaonana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
229 0
Hevitra mandeha
LurissAdr ( 01/05/2023 10:46)
Misaotra ho an'ilay niantsa รด ????????
ikalamako ( 02/05/2023 00:49)
tamim-pifaliana foana o
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vetso mena
Nampiditra : LurissAdr
Daty : 27/04/2023 10:23
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1259