You are here: home > Vetso

Raozim-pahendrena - Vetso mena

Azo vakiana?

_ androany aho Ramalala, hiteny kely Aminao
Noho isika efa ela niarahana, tsy nifandao
Efa naniry ary nivelatra,lay raozin'ny fitia
Ka nahatonga antsika roa ho lasa mpifankatia

_ ankehitriny anefa dia efa heritaona androany
Lay fotoana niarahana, asa raha tsaroanao any
Fa heritaona toy izao isika roa no nivoady
Hoe hiaraka hisantatra lay fiainana ho avy

_ natolotro tamin'ireny, lay raozin'ny fitia
Ho fanambarako Aminao, f'izaho efa tia
Ka atolotro androany, lay raozim-pahendrena
Ho marika fa tsy hiala aho na misy aza ny sedra

_ raiso ka apetraho, eo amin'ilay vazinao
Eo amin'ny latabatra mba ho hitan'ny masonao
Ka ampiaraho eo avokoa, lay raozy keliko roa
Mba hahatsiarovanao, fa apetrako Aminao ny soa

Hametraka hevitra

Midira aloha