Rehefa mitia (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa mitia dia mitiava fotsiny ihany
Fa aza maika ny hitady ny fitia avy any
Mety hoe tia ianao, fa izy tsy mahatsapa
Ka ny ao am-ponao avy eo no haratra

Rehefa mitia dia aza kobonina anaty
Fa sao harary fo ka mety hahafaty
Zarao amin'ny hafa, indrindra amin'ilay tiana
Fa sao dia mba hotanteraka ihany ilay faniriana

Rehefa mitia dia aza amin'ny fo fotsiny
Fa saino ihany mba tsy ho ananan-tsiny
Ny fo mantsy mitondra anao amin'ilay tiana
Fa ny saina no manampy anao tsy ho diso safidy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
354 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014