Ry tanindrazako malala (Vetso mena)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny oa ry Madagasikara
Ilay hoe tanindrazako malala
Verivery foana izato ianao
Verivery foana toa kilalao

Eny oa ry Madagasikara
Ilay hoe tany tia fivoarana
Hatraiza moa no antenaiko
Ny mety ho aviko aza tsy ho aiko

Eny oa ry Madagasikara
Ilay tanin'ireo razana
Malaza ho manana harena
Saingy tsy mahavelon-tena

Eny oa ry Malagasy
Lasa feno toe-dratsy
Hatraiza moa no mbola ahitana
Raha ratsy no mitondra fivoarana ?
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Alahelo
488 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117