You are here: home > Vetso

Soratra mitoetra - Vetso mena

Azo vakiana?

_ Soratra mitoetra sisa no tavela
Fa raha izaho efa niandry efa ela
Dia handao, tsy hiverina intsony
Fa efa niezaka fa tsy azoko ny fony

_ Soratra mitoetra sisa no mba tsiaro
Hoe tamin'izany aho niteny hoe fantaro
Izao aho handao, ka hamela dian-tsoratra
Mba ahatsiarovanao ireo diam-pitiavana

_ Soratra mitoetra sisa no hanambara
Hoe ianao ange efa niriako ho anjara
Fa avelao aho handao ka tsofy rano
Efa nisinda ilay alahelo miendri-drano

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha