Vavako ho anao (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba te hilaza fohifohy aho, hangataka aminao.
Hiventso ny ato am-poko, hilaza ny efa fantatrao.
Ray ô, inty vavaka inty, atolotro am-pitiavana.
Fa faniriako hatry ny ela, noho isika efa mpihavana.

Atomboko amin'ireo tsy manana, na dia toeran-kialofana.
Mba omeo hery izy ireo, mba tsy ho mora torovana.
Fa maro ny mpanomponao, efa miezaka ny hanampy.
Tsapa ihany Ray ô, fa mbola ho mafy ireo ady.

Ho an'ireo marary sy mijaly, mirary ny fanasitranana
Mila anao izy Ray ô, mba ahazoany fahasalamana
Na dia eo aza ny mpitsabo nomenao fahaizana
Mbola misy ihany ny aretina nampitondra fitarainana.

Ary mba jereo koa ry Ray ireto miezaka ny hatrany
Mitady izay mba entiny hampivoarana ny fiainany
Ireo miady isan'andro ho amin'ny fahamarinana
Mba entiny ahazoana izay mba rehetra niriana

Farany ry Tompo, izay ho angatahiko aminao
Tsy ho voalazako eto fa saingy fantatro fa efa fantatrao
Fa dia misaotra Ray ô, tamin'ireo soa ananako hatrizay
Ny lehibe indrindra amin'ireo dia noho izaho mbola velon'aina.
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - fiainana
628 1
Mpakafy: Lurissadr
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145