Veloma ianao (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Betsaka ny zavatra mbola tiako ho lazaina anao anio
Fa aleoko tazomina ho ahy irery izany raha mba sitrakao
Raha ny hanakana ahy ny handeha aloha dia fadio
Fa izay no hametrahako ity taratasy ity ho anao

Hiala aho, handao ny tany na sitrakao na tsia
Hiala aho ary tsy manam-paniriana ny hiverina intsony
Hiala aho fa tsy zakako ny mbola hiaina sy hiriaria
Handao ny tany aho fa teto aho tsy mba nety ho tony

Niezaka ihany aho ny mba hiaina sy hankafy toy ny hafa
Fa ireny filaza rehetra ireny kay toa fitaka avokoa
Niezaka ny mba hiaina sy hankafy ary hitafatafa
Fa ny manafina ny maharary tena tsapako mafy tokoa

Avelao aho handeha fa aza sakanana raha sitrakao
Fa tsy mendrika ahy ny hiaina eto an-tany ankehitriny
Ka veloma fa tsy ho mandram-pihaona no apetrako aminao
Ary izao fahalasako izao aza atao mitondra tsiny....

Veloma rahavako, veloma ry namako, veloma ho an'ireo nahafantatra ahy...
--------
Rohy:
680 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156