ry tanako (vo.sedra )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana ianao ry tanako
No mitokona tsy hanoratra
Ireo sento kalom-poko?
Dia 'reo hany mba fananako
Itantarako fo maratra
Sy anafenako toloko
Fa dia nahoana loatra
No feranao ny foko hilaza
'reo narary azy androany?
Henoy 'zato izy efa mitroatra
Midradradradra toy ny zaza
Manovokovoka tomany.
Misento anaty te hikalo
Fa lavi-tiana ka manembona
Te iangavy anao hatrany
Hanoratra 'reo tononkalo
Sy ireo fitia tsy mety levona
Mampilatsaka tomany
Raha mety re, soraty ihany.
Vo.sedra 04/05/2015
20:50
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
975 1
Mpakafy: vo.sedra
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 05/05/2015 03:50)
tena kanto izy zany leroa a!! fa aza terena hanoratra ny tanana raha tsy vonona ny saina e! tena tsara le aingam-panahy
vo.sedra ( 05/05/2015 05:09)
mankasitraka tompoko!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vo.sedra
Nampiditra : vo.sedra
Daty : 04/05/2015 19:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0637