Ny fitiavako anao (Pharaon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity foko mikalo
Izato anaranao rahavako
Tsy mba taitry ny mpandalo
Fa efa lasanao ny fitiavako

Fitia tsy miofo
hatramin'izay ka hatramin'izao
efa niray ara-nofo
ka tsy mahasaraka anao

Ny fitiavako anao no mibahana
ny ao am-poko sy ny ao an-tsaiko
nipololoitra tsy tàna
hankafiziko sy hajaiko

Ny fitiavako anao ry malala
no mahatonga ahy hitoetra
lavo aminao ka tsy hiala
nivoady aina no fetra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2350 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pharaon
Nampiditra : voady
Daty : 02/01/2012 04:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0539