IZAY VAO LAVORARY NY ASANY... (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fandrenesako ny kalo sy siokam-borona maraina
tonga nampiferin'aina
f'indro tonga ilay andro tsy ahitako fitsikiana
fa alahelo, fijaliana
Satria tsy teo ianao ry aiko
ka tsy nitombina ny saiko

Ny doboky ny ranomasina nampitosaka ny onja
tsy nahafaly ahy monja
mainka aza tsy hanembonako
ny lavitra sy ny ankohonako
Satria tsy teo ianao ilay mamiko
ka ny saiko tsy voalamiko

Na ny maso niova jery
na ny fo zay toy ny vato
na ny saina saika very
tonga niova tato ho ato
fa hay Ianao no nandrasany
izay vao lavorary ny asany
k'izany hiran'ny lokanga
sy valiha torofolo
maharavo ahy daholo
mampiboraka ny vavako
hanambara ny fitiavako
tonga mantsy ianao ry Heriko
ka niova ny fijeriko ka...

Ny lokon-danitr'izay manga
tsy mba tiako ho jinery,
vao tonga Ianao nanampy Hery
dia zary niova ny safidiko
ka tonga loko nofinidiko
...fa hay Ianao no nandrasany
zay vao lavorary ny asany.
--------
Rohy:
869 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : voatsinampy
Nampiditra : voatsinampy
Daty : 23/11/2016 08:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165