LOLO (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O ry lolo an-dohasaha
misoratsoratra zandiana
tiako ianao hitarik'ahy
nefa maro mpanakiana
f'hay mpanimba tanimboly
fatsora sady mpanambaka
mitsetsitra ny vovom-bony
dia mifindra hoa ny an-kafa

Voninkazo avy nivelatra
teo an-tsisin-jaridaina
nilaozanao nikopak'elatra
dia niraraka fa maina

asesisesinao tetezina
rehefa mety voninkazo
mahery ianao tsy azo laizina
tsy mamela raha mahazo

Voninkazo firifiry
no efa notetezinao
ireo nijoro tamin-kiry
no hany sisa vanona ao
...ry mitafy hafetsena
sy mamiratra jerena
raha lavo taminao ny fo?
tsy toa ireo koa no nanjo?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
991 1
Mpakafy: karako
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138