BONGO MASO TAKARIVA... (voatsinampy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho fahatsiarovana ilay lasa any amin'ny varo-tsy mifody

Bongo maso takariva izany tena
raha ianao no hitantarako dia honena
lasa tsy nanao veloma ilay nantenaina
eny sento indray maka dia niala aina...

Lay dongidongy sy hantahanta zary sento ankehitriny
sompatr'ianao ry tany nalefanao ilay vahiny
tsy nolazainao akory hanadiovanay ilay rovany
hanangonam-boninkazo hambolena eo ho lovany

lay akanjo jaky mena zary saly tena mainty
ry fahafatesam-paharesena tsy mamela fa tsy maintsy
tsy navelanao ho maina ilay mosara fitahiry
fa ho kotsa hamafana ilay ratra izay mangirifiry

ry fahafatesana mandoza tsy misaraka amin'ny lolo
toa izao fa tsisy tsiky ny androm-piainanao tontolo?
...
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahelo
1235 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : voatsinampy
Nampiditra : voatsinampy
Daty : 28/11/2016 13:06
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145