NY NOELIN'NY TANIKO (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Melok'aho ve raha toa tsy mifaly
fa mbola mijaly ny iray ra amiko?
diso aho ve raha toa mitomany
fa tsy mbola tafarina foana ny taniko?

Nankaiza avokoa ireo sakaiza
ny tohin'ny tolona vitany hatraiza?
lasa izy ireo tsy namarana taona
k'aza omena tsiny aho raha toa ka misaona

Melok'aho ve raha mbola mivelatra
ilay diarin'ity taona efa hiova?
ny tolon'olomanga efa nikopak'elatra
ho dimbiasanay taranaka handova

...nangina hatreo ilay fahatsiarovana
vita hatreo koa ilay tononkaloko
fa maha ontsa sy maha torovana
izany fety sy Noelin'ny taniko
ka
Melok'aho ve raha toa tsy mifaly
fa mbola mijaly ny iray ra amiko
diso aho ve raha toa mitomany
fa Noely misaona ny Noelin'ny taniko?

25 Déc 1991 a 11h30
--------
Rohy:
906 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146