MISY... (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy teny tsy mba tantiko
hotononinao rahavako
fa mampijohy ny ranomasoko
hitsontsorika amin'ny tavako
mampiontana ny aiko
ho any ankoatra fitsaharana
sy mampitady ny fanahiko
ilay vato hivalamparana

Misy feo tsy mba tiako
hoventesinao amiko
fa manafainganany diako
hanantotosa ny vinaniko
ho lazaiko madiodio
f'aleoko tsy mba noforonina
raha toa io feo io
no mbola sahinao tononina

Misy voadiko ato am-poko
izay tsy maintsy tanterahina
raha toa ka sanatria
hisy andro hisarahana
hotsapanaoamin'izay
ny halalin'ny fitiavako
sy ny vidin'ny tomany
izay narotsako rahavako
--------
Rohy:
883 1
Mpakafy: wtf10
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138