NY FIFONAKO (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a
hitanao ity fo adala?
tsy nino fa ianao no anjara
dia nikisaka sy niala
mifona akia a, mamela
hamela ny hadisoako ialahy?

Malala a
hitanao ireo hitsikitsika izay nataoko hivavahana?
hay papango hipaoka ahy fotsiny fa ny masoko no pahina
aoka re a, aza latsaina a
ifonako iny sombin'aina!

Malala a
hitanao ilay fitiavako izay nongotako niala?
tsy mba voakolokolo fa nasavoritakin'ny adala
nisy feo nibitsik'ahy hoe :
"aok'izay fa mivilia !"
dia nitodika ny saiko, ka niverina amin'dry

Malala a
hitanao moa ianao ilay nanaiky ny fifonako?
teo no andro nahatsapako fa Noho ianao no ahavelomako!
teo aho vao tena babo satria nareninao raha lavo
eny akia a, matokia a
hohajaiko hatrany indry.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
943 1
Mpakafy: voatsinampy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3416