RAHA HIFOHA NY AINGAM-PANAHIKO (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hifoha ny aingam-panahiko
ka hitory izay niainana
dia angamba tsy ho sahiko
ny hanambara fitarainana
ny alahelo izay nodiavina
teto an-tany fandalovana
ny hitanisa izay notiavina
sy hamongatra fahatsiarovana

Raha hifoha ny aingam-panahiko
ka hibaiko izany penina
dia angamba ho avahako
izay azo tokony ho tenenina
tam'ireo hatanorako
nilomano tam-pitiavana
ny fadisoam-panantenako
fa nasetrinao fandavana

Raha hifoha ny aingam-panahiko
ka hijonitra alahelo
dia tehiriziko ho ahiko
ireo tokony ho tsiambaratelo
nandritra ny andro fisandratako
teto an-tany ivahiniana
tsy zakako raha hosoratako
fa eleo ho ahy mangina

raha hifoha ny aingam-panahiko
ka hampiseho mibaribary
izay anjara mba ho ahiko
voavisavisany amin'ny sary
dia hosoratako tokoa
ka irariako ho tanteraka
hanasitra ity fo
tena valaka sy reraka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1003 1
Mpakafy: karako
Hevitra mandeha
karako ( 22/11/2016 16:51)
Efa nifoha izy izany :-) Tsara e, sady tsara fanoratra ny teny Malagasy fa tsy kitoatoa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : voatsinampy
Nampiditra : voatsinampy
Daty : 22/11/2016 13:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145