NY TENA IZY (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny sandoka dia hafa ihany
mamitaka mampitomany
ny tena izy mbola miavaka
masina izy fa mpivavaka

ny tena izy raha miteny
tonga dia manantanteraka
mitia hatrany eny ombieny
sanatria ny ahatsiaro ho reraka

ny tena izy tena tia
tsy mampitamby sanatria
mihafy hatrany ho doria
nohon'ny herin'ny fitia

ny tena izy mety anarina
tsy mba sarotra fantarina
mendrik'azy ny hohajaina
hatramin'ny fara fofon'aina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1213 1
Mpakafy: maizina max
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147