orana... (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Notondrahanao ry orana
ilay fitiavako efa torana
ka nifoha lasa nijery
ilay aretiny sy fery
noho Ianao ilay nandao
tsy nisaina izay natao
fa nandeha nanifi-drano
mba hitady fararano

Notondrahanao ry orana
lay foko voly sy nangorana
ka eto am-baravaran-kely
no mametsovetso irery
eto antsefa-tsela-baratra
no miandranandrana mitatratra
sao mba any Izy izay
ka hiombona indray izahay

Notondrahanao ry orana
lay foko voly sy nangorana
ka nitrebona namony
ilay fitiavako efa tony
lay fahatsiarovana nalazo
vao miha namony voninkazo
maso kotsan'ny tomany
no niotazako an'izany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
944 1
Mpakafy: karako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : voatsinampy
Nampiditra : voatsinampy
Daty : 22/11/2016 13:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145