rahatrizay aho ka hody (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
rahatrizay aho ka hody
amin'ny toera-paharesena
fa tsy ho sitram-panafody
ka hisy hiantso hoe" miverena.."

dia hanaraka ambokony
hisento mora eo am-pandriana
ho voasoratra amin'ny bokiny
hikimpy eo dia hosondriana

ahirino izato masoko
fa aza avela hivandravandra
hivavao ny kotro-baratra
tsy hampidina havandra


handao ny havana ny tena
satria tsy nety mba ho sitrana
dia ividiano lambamena
ilay tena valo vitrana

raha voahodidim-boninkazo
an-tongotra ka hatrany an-doha
dieny mbola tsy malazo dia alaivo sary aloha
rehefa vita anaty vata ka handao ilay akany
dia iangaviako samy hibata
f'aza misy mitomany

Aoka koa mba hilazana
ireo namako fahiny
nandany ny fahazazana
tamiko zay mpivahiny
mba hibata voninkazo raozy pika sy ny lisy
misy anaran-tsy halazo
tsy mety ho afaka mihitsy


raha hivoha ny tranovorona
aoka re mba tsy hitangorona
kaloy ny hira tsy ankiato
d'hidio ny varavaram-bato

rahatrizay aho ka hody
hanampy isa ny efa lasana
dia lanjao mba ho tody
hatreo am-baravaram-pasana
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
897 1
Mpakafy: razahrazah492016
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : voatsinampy
Nampiditra : voatsinampy
Daty : 22/11/2016 12:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141