Fanantenako (Vola)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na be ny nanenjika, na be ny nankahala
Na be ny ts tia, be koa ny nanadala
Tsy mampiova ny fitiavako anao izany satria
Ny fitiavako efa natokako ho anao ho doria.

Na be ny nilaza fa toa ho nofy ihany
Ny amiko sy aminao indray andro any
Tsy nahoako,ireny satria fahavalo
Ka tsy sainiko akory fa teny mandalo

Na be ny naneso, na be ny nifosa
Fa ny antsika dia tsy mba ho tontosa
Tamin'ny feo mahery sy manakoako
Tsy nataoko ampiova ny fanantenako


VolaSarik (27/02/2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4556 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vola
Nampiditra : VolaSarik
Daty : 27/02/2010 13:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141