You are here: home > Vetso

ho anao - Vola

Azo vakiana?

Ho anao,

Tsy vao androany aho  no  hoe hanoratra ho anao
Mikasa ny hanambara izay tena ao ampoko ao
Hitanisa ihany koa ireo tsiambarateloko
Ireo faniriako,ireo hafaliako eny ireo alaheloko
Indrisy anefa fa vao miainga ilay diam peniko
Hamkivaky izato taratasy fotsiko`
Indro midoboka  tsy tana mafy ery izato foko
Toy ny matahotra aho @izay zavatra ho teneniko

Mihaotra hatrany raha vao eny am piadohana
Toy ny misy fatotra mangeja,tiana ho vahana
Vao vita anefa ny teny hoé :  « ho anao »
Dia rovitro indray ilay taratasy vao !!!
Miova isan’andro ny tiako ho tantaraina
Anio toa hafaliana,ampitso toa taraina !


Nahoana loatra ré no tsy sahiko ny hanoy
Ireto soratanako,eny na dia fohy
Matahotra aho angamba,izay mety ho fijerinao
Sao ianao hilaza,fa redirediko izao

tktnk!

Sokajy : Fitiavana, Hanina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Vola

Nampiditra : vola86
Daty : 19/09/2008
Mpamangy : 3850
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

'Lay andro iray!
Fanantenako
ianao
lasa
safidy
ry diary
Mbola miandry
Manahy aho
anjara sa fitiavana?