'Lay andro iray! - Vola
Azo vakiana?
Nihainga tao an-trano ny maraina!
Tsy nisy eritreritra hoe hitady olo-tiana!
Izy koa nihainga tao an-trano ny maraina!
Hoe handeha hianatra ka hamita fanadinana!
Tsy misy mahalala!
'Lay andro iray!
Tsy misy mahatana,
Rehefa tonga izy dia 'zay,
Nisy andro iray,
Efa voasoratra hoanay,
Tany andro, tany taona!
Tonga ihany 'lay fotoana.
Niditra aho ka tazany!
Izaho nefa toa....menamenatra ery!
'Lay toerana tomefy olona aok'izany!
Izaho ihany hono anefa.... no topazany.
Ka toa midika oe.....tena izy iny é!
Tsy nisy nanam-po!
Hoe hiara-dia isika roa.
Tsy nisy nampan-dre!
Hoe: Efa miandry atsy izy anie!
Tao ny lasa, namela ny ratrany.
Indro ny ankehitriny, manome ny fifaliany!
Miandry ny hoavy, mapanantena ny fahasoavany!
Fo roa samy nanana ny lasany.
Fo roa nampihaon'ny ankehitriny.
Fo roa mamisavisa ny hoaviny.
Fo roa natambatr'ilay andro iny.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Vola
Nampiditra : liantsoavolaDaty : 27/06/2013
Mpamangy : 3913
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Fanantenakoianao
lasa
safidy
ry diary
Mbola miandry
Manahy aho
ho anao
anjara sa fitiavana?