ianao - Vola
Azo vakiana?
Ianao
Toy ny vao omaly no nilazanao ahy
Fa ny tokako eto an-tany
Dia ianao ihany
Tsy nierina akory ny taona
Indro indray ianao nanambara
Fa tsy izaho intsony no hanoloana
Hanoy ny tohin tantara
Tsy hisy intsony ilay hoe « isika »
Ho foana ihany koa ny hoe « ianao »
Ireo zay mba naorintsika
No novahinao vaovao
Saingy tsy « izaho » hoy ianao
Ianao,anefa no hany fifaliako
Ianao ihany koa no hany finoako
Ianao,eny ianao
No nasahiako nilaza
Fa izaho dia mbola zaza
Foinao avokoa ireo dina mba natao
Navelanao teo koa,ilay foko tia anao
Tsy noheverinao izay nety ho ratrany
Tsy nohalalininao izay mety tsy ho zakany
Dia indro izy tomany,noho ilay « ianao »
Mitoreo,mivalo ,mitalaho
Manontany foana ny antony izao
Tsy mbola mety mino,fa manantena anao
tktnk!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Vola
Nampiditra : vola86Daty : 19/09/2008
Mpamangy : 4826
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
'Lay andro iray!Fanantenako
lasa
safidy
ry diary
Mbola miandry
Manahy aho
ho anao
anjara sa fitiavana?