You are here: home > Vetso

safidy - Vola

Azo vakiana?

Safidy

Tsy noterena ianao raha nandeha
Izahay aza mba nalahelo
mody tsy taitra ka nihomehy
ny sento anaty no namelovelo

tsy naha sahy nanakana na nanontany akory
fa dia nanaiky tsotra ny safidinao
eny na dia nahatsiao tena very sy toa oriory
dia mbola nirary soa anao

safidy ny anao,ny hibanjina  any ho any
tsy tamana eto intsony ireto masonao
eny  na ny fo toa  toy izany
kanefa tadidio,fa miandry eto ireo namanao

nisy hira izay,fanaontsika rehetra
teny ambodi-hazo sy tamboho rehetra iny
mampatsiaro ny fitia tsy nanampetra
sy irony fiarahantsika fahiny


ireo sangisangy sy kilalao taloha
zary tantara tsy afaka ao an doha

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Vola

Nampiditra : vola86
Daty : 19/09/2008
Mpamangy : 3838
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

'Lay andro iray!
Fanantenako
ianao
lasa
ry diary
Mbola miandry
Manahy aho
ho anao
anjara sa fitiavana?