Manahy aho (Vola)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manahy aho

Manahy aho fa ho nofy mamy ihany
izao iainan-tsika izao
manahy aho fa tsy misy akory izany
fa nofy ihany koa ny « izaho sy ianao »

manahy aho hoe : rampitso vao maraina
raha vao mangiran dratsy iny
dia iny aho lasa saina
fa lasa mpivahiny

manahy aho ry tiana
hoe izato fifaliana
indray andro hiova indray
ho fijaliana mahamay

anefa mino aho fa na misy aza izany
dia ho fandalovana ihany
fa ilay hoe tena fitia
hitoetra ho doria


tktnk!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Ahiahy
3763 1
Mpakafy: Niriantsonoely
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vola
Nampiditra : vola86
Daty : 19/09/2008 13:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154