Mbola miandry (Vola)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola miandry foana

Nozarinao ny foko tsy ho taitra intsony
« Raha toa aho ka lasa,dia aoka ianao ho tony
fa mbola ho avy ny fotoana hitoerako eo aminao
andraso !andraso !fa mbola hiverina aho »

Dia izay fehezanteny izay no naverimberinao ho ahy
Nampianarinao aho tsy hanana ahiahy
Ka n’aiza tany nisy anao,nitety izao tontolo izao
Dia hoy ianao hoé « ny foko mitoetra eo anilanao ! »

Ny mahagaga anefa fa ny foko tsy mety zatra
Fa isaky ny ilaozanao,toa henoko maratra
Toa mbola misy foana tahotra ao anatiko ao
Toa manahy foana ao hoé « dia raha tsy hiverina moa ianao ? »

Asa angaha inona no ataoko,raha tanteraka ny ahiahiko ?
Angamba aho ho lasa adala,rotidrotika ny fanahiko
Ho pahana ny masoko tsy ho hitako izay aleha
….mba mety hanao ahoana marina va re ?

Angamba zary ho namako iny rahona iny
Ka na ny rivotra mitsoka aza dia omeko tsiny
Lazaiko ho nitondra anao daholo izao rehetra izao
Satria tsy hino mihintsy aho hoé « ianao ve no handao ? »


Fa mbola manantena « miandry,eny miandry anao"
tktnk!
--------
Rohy:
5296 1
Mpakafy: kelerman
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vola
Nampiditra : vola86
Daty : 19/09/2008 13:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0859