Misaotra anao nampindrana - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Misaotra anao nampindrana tanana ho tantanako
Misaotra anao namela ny tratranao hiondanako
Misaotra f'ampy ireny, ampy nisambarako
Izao aho vao mahalala f'izy ilay tianao
Misaotra anefa f'haiko ny mionona amizao
Manaiky izay anjarako
Ianao moa mpilalao antselika tanatin'ny tantarako
Misaotra anao nanapaka ny fifandraisana amiko
Misaotra nampatsiahy f'hay fiainana nindramiko
Lay teo akaikinao
Zay no zava-misy ka akory moa atao?
Nefa misaotra anao ihany tsy nisala fa nandao
Marim-pahako ny fandehananao
2017
Mombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 04/09/2019
Mpamangy : 581
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaLASA IANAO
ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
AVELAKO HO ANAO
MBA TSIDIO