You are here: home > Vetso

Alahelo - Zay LAFATRA

Azo vakiana?

Rehefa malahelo dia tsy mahateny ninoninona!
Sady ialahy mahantra no mbola kely tsinotsinona!
Rehefa be fitiavana tsy mba valian'olona fitiavana!
Fa valiany avonavona!

Izay mitombo fahendrena marina no mitombo alahelo!
Izay tsy manadino no mitombo fahanginana mamelovelo.
Ny alahelo mantsy dia fitia tsy tanteraka!
Fa fankaherezana fotsiny ilay tononkalo hoe:"aza malaky reraka".

Mbola hataoko ongomanta tato am-po ilay fitia telo taona!
Mba ho  afaka alahelo mba halaky ho afaka saona.
Fa ny alaheloko amin'izao mitroatra fa mangina,
Halahelo aho satria tia fa tiana.

03/02/18
Zay LAFATRA

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha