HIRAHIRAKO - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
Ô!ry Voary malalan'ny saina!
maharavo sy mendrika ny endrikao.
Hiran'ny fiainako tsy tanisaina,
ny hamaron'ny fitiavako anao.
Ô!ry Voary malalan'ny fanahy!
Manidina aminao ny fihevitro izany.
Inoako angamba fa ianao toa ahy!
Mahatsiaro androany mandefa vinany.
Ô!ry Voary malalan'ny vatana!
Tena ianao ilay fanamperana.
Fanamperan'ny aiko ho namana,
fa ny fonao iny no tiako honenana.
Ry voary nirian'ny foko!
Mitempo aminao izany fitiavako.
Miangola mitaky ny zoko,
fa zon'ny fitiavako no nitenenan'ny vavako.
Ry Voary ny fiainako ihany,
mbola ianao ilay mamiko indrindra!
Ianao ilay tokana tsy roa aman-tany!
Nitempoan'ny fitiavako tsy mety mifindra.
Na any alavitra any ary izaho,
tsy maitsy manonona ny anaran-dry!
Tena ny saiko mihitsy ange no manda,
fa mba hirao ao am-poko ilay tena fitia.
R.VN.H
15/07/16
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 27/02/2017
Mpamangy : 1240
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA