Ho an'i Lefitra - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
Ho an'i Lefitra
..."nanambady aho ry Lefitra,
Sanatria tsy nahandry,
Fa noho i Dada sy i Neny,
Dia tsy maintsy nanambady.
Ka tso-drano no atolotro anao,
Mahita izay anjara,
Fa ny amiko sy aminao,
Tsy maty fa tantara.
ity sary sy firavaka atolotro ho anao,
dia ho tsiaron'ireo lasatsika,
raiso am-pitsikiana fa natokako ho anao,
fikiro mafy rehefa tojo ilay hatsiaka.
ary dory rehefa sambatra ianao.
Dia veloma mandrapihaona,
Ary pero ny eritreritra,
tsy ho any amiko intsony,
veloma ianao ry Lefitra.
Rindra malalanao."
03 juillet 2017
Zay lafatra
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 30/08/2018
Mpamangy : 655
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA