HO INONAO (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO INONAO

Ho inonao tokoa,
Izay rehetra momba amiko,
Na ratsy na soa,
Fa indrindra ny tomaniko.

Ho inonao tokoa manntsy!
Ny alaheloko amin'izao,
Toa faly manaratsy,
no ambetiteninao.

Ho inonao tokoa iky!
Ny kitroka hiainana,
Kakiviana,toratsiky,
No asetry ny fisainana.

Ho inonao tokoa e!
Ho inonao hatrany,
Ny hamela ahy irery,
Hiaritra ny jaly.

Ho inonao tokoa,
Ilay fitia toa adala,
Niatsapitsapy foana,
Na izaho nahalala.

Ho inonao moa izay izaho!
Mavomavo-kely,
Tsy mianatra ihany koa,
Fa mirenireny eny.

Ho inonao tokoa,
Ilay fitiavako niserana,,
Nobedesinao foana,
Fa hoe fitia diso toerana.

Ho inonao tokoa ry sakaiza!
Izay kely efa vitako,
Na tsy voafaritra aiza,
Ny habeny efa hitako.


22/03/18
Zay LAFATRA.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Alahelo - Fitiavana
1005 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 03/06/2018 07:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103