NIZAKA RATRA - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
NIZAKA RATRA
Vao niandoha ny antsika dia toy ny tsy ho rava.
Mamy toa tantely nampitsiky indray ny tava.
Ilay fitiavana niriako mba hifakatiavatsikaroa
Teo ambonin'ny alitara tsy hisaraka ihany koa.
Mafy ankehitriny fa voadika ilay voady,
ilay teny mamitsika ireny indrisy lasa ady.
Raha nieritreritra kely ianao dia mety mba nihafy.
f'izao anio izao ianao dia lasa nampirafy.
Nahoana loatra akia dia noratrainao ilay foko tena Tia.
Lasa ianao nandeha!f' izaho irery ihany no sisa nizaka ny ratra.
Veloma ianao ka samy tsara!
mazahoa izay iriana ka misambara!
Mino sy matoky aho fa ho sambatra ianao,
fa ny ahy ny ratrako dia lasa nihavao.
Fitiavana vaovao no hiainanao ka misambara,
fa ny fiainambaovaoko hataoko tena tsaratsara .
Fitia no nomeko sy ny vola kely ananako,
dia nahilikilikao!Fa mbola ho avy ny anjarako.
Hanadino anao aho fa io tsy maintsy zakako,
f'any andro iray mbola hisinda izato ratrako.
Tononkalo_Ankira
Zay LAFATRA
Hevitra mandeha
hery (18/04/2021 08:02:00)
Ary mahagaga fa hoe nizara karatra no voavaiko voalohany loll
Tsara e
ikalamako (23/04/2021 06:00:56)
Nagaoka (23/04/2021 17:34:18)
Hihihi!mitombona mitsiny izany!na izaho ary indraindray mahavoavaky an'izany!????????Makasitrak indrindra.
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : Nagaoka
Daty : 17/04/2021
Mpamangy : 610
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Nahoana ianao no tanondrikaNY BANDY REHEFA TIA
ALEOKO MITSO-DRANO
MIANDRY ANAO
FAHALEMEM-PITIAVANY
Fo ny ahy ny fo
VONINKAZO
FITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA