Inséré par : 03314
Date : 09/03/2016 13:17
Visite : 3437
Poèmes: 62 Cliquer ici
Fans : 2 Admirer
Insérer un poème

Joda Razakasoa

MITIAVA TONONKALO,

Mitiava tononkalo,
fa io ny singa iray entina manandratra ny teny,
dia ny teny malagasy...dia tiavo ombieny ombieny
mitiava tononkalo,
dia mahaiza mankafy ny hakanton'ny poezia malagasy,
ny rima sy ny aingoaingon-teny izay tinazana anaty taratasy,
mitiava tononkalo,
raha toa ianao te handalina kokoa ny tenindrazantsika,
tiavo ny an'ny tena dia mitondra anao ho tafita,
mitiava tononkalo,
raha te hanakatra ny habaka ambony sy ny nofy,
dia ho voalangolango ny fonao anaty rotsirotsy,
mitiava tononkalo,
raha te ho sitrana ny ferin'ny fonao marary,
mitiava tononkalo dia...hisinda koa ny jaly

JODA RAZAKASOA
Lien: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/razakasoa-joda
Derniers commentaires
03314 ( 26/06/2016 11:08)
HIADY IZY HIADY HOAN'NY TANINDRAZANA SY NY TENY MALAGASY
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158