Nantenaina (Anj'art Nantenayna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala , ny fiainako eto antany.
Ny androko rehetra.
Ny vava izay miteny izany.
Milaza ireo teny mamy.

Ny ampitsoko, ankamatatra ny hoavy
Ny omaly nandalovantsika teny
Dia foiko ho anao daholo
Foiko manontolo

Satria tiako laotra ianao
Tiako ho ahy mandramaty.
Fitia tsy kilalao fa
Monina ato anaty.


Tiako laotra ka mampanembona ny foko.
Mampiseto indraindray fa
Mazana mampisinda ny toloko.


Raha mba teo mantsy ianao
Angamba tsy ho toy izao
F'efa teo antratranao
Ny lohako hatrizao



Raha teo ianao
Andry hiankinana .
Raha mba tzo mantsy ianao
Lay tiako ho fihinina



Soa aloha fa nisy , zao taratasy izao.
Hafahako mandraikitra
Ny amboarambetsovetso ho anao



Tsarovy ane ry tiako
Fa raha toa miseto ianao
Ny foko no azompahoriana



Raha toa ka malahelo ianao, ny saiko no hidirampijalina.



Nantenaina Janoary 2019
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
848 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179