"IANAREO VEHIVAVY" (IaroMalala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAREO VEHIVAVY

Aza mampifilafila
Ho degany sy manja
Raha toa ianao mba tiana.

Aza miseho milay
Ho tena matikambo
Raha mba tiavinay.

Aoka tsy hampiresaka
Sy miseho mahitahita
Aminay lehilahy mipetraka.

Aza mba manidina
Am' zipo hapoto-pe
Sao sanatria ho bikina.

Izahay lehilahy manko
Maditra fa misaina,
Mahay mba mampaniry
Vonindraozy an-karakaina

Raha toa ilaina izany,
Na koa tadiavinao.....
Mazava angamba izay!!!

IaroMalala
"Aprily-2013"
--------
Lien:
Catégorie : fananarana
1454 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139