Fitoriana Fitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitoriana fitiavana

Nirina sy tsiky

Nirina
Azafady kely angie r'ise
Andraso kely anie aho
Vetivety fa tsy ela be
Raha toa ka mety ianao

Nirina
Iza kay ny anaranao?
Fa ny ahy aloha dia nirina
Mino aho fa tsy fantatrao
Ary variana ianao no sondriana

Nirina
Na tsy hiteny aza ianao
Dia efa fantatro
Fa izato endrikao
Dia ampy hamatarako

Tsy mandainga izao fitsiky
Diso ve aho raha hoe Tsiky?
Aza tsiny raha toa tsy izany
Fa ny ahy dia toa Tsiky ihany

Tsiky
Tsy diso akory ianao
Fa ilay voalazanao
Inona no ilainao ahy?
Fa ianao toa sahisahy
Aza ilaozanao mijery ahy
Sa matahotra indray
Ka tsy sahy?

Nirina
Izao ry Tsiky a
Inoako fa efa tsapanao
Ny tiako hambara
Inoako koa fa fantatrao
Raha toa ka tsy hilaza ary aho

Tsiky
Aiza moa no hahalalako
Izay tia anao hambara
Aleo handeha aho
Fa ianao toa manadala
Toa mandany fotoana fotsiny
Amin'ny zavatra tsisy fotony

Nirina
Eo ary fa ho lazaiko e
Eny hatramin'ny aiko
Dia henoy ary fa ho tantaraiko
Diso ve aho raha ianao no lalaiko
Ary koa mba hajaiko

Tsiky
Tsy azoko ny tia anao ho tenenina
Sa izaho ve no marenina?
Miangavy mba azavao tsara
Izay tia anao hambara

Nirina
Izao ary e
Tiako ianao
Diso ve aho?
Raha nitia anao
Tsy amin-kilalao
Fa vonona ny hanaja aho

Tsiky
Inona tsara hoe?
Tia ahy ianao?
Ataoko angamba fa haniany izany
Zavatra lazainao ahy izany

Nirina
Tsy haniany sanatria
Fa izaho ho aho tena tia
Eny tena tia an-dry
Tsy an-tendromolotra fa ao anaty
Ny foko ary ato mila ho vaky

Nirina
Ka ianao sisa no misafidy
Fa izaho tsy handidy
Izaho koa tsy hanery
Na ho Tsia na ho Eny

Nirina
kanefa tiako ho tsapanao
Fa ny ahy mandrakizay
Raha toa manaiky ianao
Ka valio raha azo atao

Tsiky
Eny ary e
Resinao aho
Amin'ny foko manontolo
Dia manaiky anao daholo

Nirina
Faly loatra aho rahavako
Fa tsy nolavinao ny fitiavako
Ary matokia ahy ianao
Fa izaho tsy handao
Na amin'inona aza izany
Dia hitia anao hatrany

Nirina
Raha tena tia ary ianao
Dia atolory ahy ny molotrao
Fa hiara-hitempo ho iray
Ny fon-tsika Mandrakizay

Nirina
Fa hiaraka isika tsy hifangia
Eny hifanolotra ny ainy
Hivoady ny ho doria
Aminao no lalainy, ary hajainy

Tsiky
Indro rahavako ka horoy
Aza hadino fa mba tsarotsaroy
Hoe tamin'izany andro izany
No nifanorohan-tsika voaloha
Dia tadidy foana ka tsy miala ao an-doha

Tiako ianao
--------
Rohy:
19618 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162