Izany rehefa tia (Nalison Randrianaivo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany rehefa tia

izany rehefa tia
lasa adala sy very saina
adala ianao satria
tojo ilay tiana sy lalaina

izany rehefa tia
lasam-borona voadona
lasam-borona satria
io ilay tiana voalohany

izany rehefa tia
toa miteniteny irery
miteny irery ianao satria
te hanana azy ka tsy ho very

izany rehefa tia
midobodobaka mitebiteby
ilay fonao satria
nahita ilay tianao toy ny anjely

izany rehefa tia
te hilaza sy hanambara
ny vavanao satria
io ilay tiana sy anjara
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1182 4
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016