Lavitr'olon-tiana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lavitr'olon-tiana

Te hanoroka anao aho ry tiako
Te hamihana anao aho izany
Te hitantana anao ilay niriako
Te hisangy, te ihanihany
Ianao anefa any lavitra any
Tsy hitako atao an'izany
Ka ny hany azoko atao
Dia ny mahatsiarotsiaro anao

Tsaroako ery akia malala
Isika roa ilay mifanadala
Isika roa ilay nifananihany
Harivariva hody tamin'izany
Ilay malaina ery ny hifandao
Tsy nifankafoy izaho sy ianao

Tsaroako ianao teto anilako
Sambatra sy tretrika ery
Ka nanaiky ianao fa ho silako
Hankatoa hatrany ilay fitia
Izay nifanoloran-tsika roa
Nifanojo ny samy tokam-po
Indrisy any ianao izay
Ilay tokako an-kiray
Mahatsiaro anao aho rahavako
Tsy mahafoy anao ilay fitiavako

Manina aho ka lasalasa vinany
Manembona anao hatrany
Ny alahelo anao no tsy tana
Milatsa-dranomaso aho mazĂ na
Raha iny lasam-borona iny
Raha mahatsiahy ireo fahiny
Dia te hivoana akia ny saiko
Te hitady anao ilay no lalaiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2995 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164