Sasa-miandry (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sasa-miandry

Aiza ary ianao ry tiako
Fa malahelo mafy aho
Tsy tsapanao ny fahoriako
Ity foko mba mitalaho

Mila mafy anao hitoetra
Na ireo androko rehetra
Tsy maha eo ianao
Dia hirifiry fijaliana
Sasa-miandry anao ry tiana

Malala a. Aiza re ianao e
Fa mila anao izany foko
Izay sasa-miandry anao
Ka nanjary nitoloko

Miverenà moa ry lala ô
Miverenà anilako ianao
Fa izaho toa adala ô
Sasatra miandry anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
874 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215