NENY ! (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENY !

Neny!
Mitanondrika ombieny
Toa olona manjeny
Izao ity zanakao ity
Ary izany ve, satria
Mikaroka FITIAVANA izy
Hitoviany amin'ny ankizy
Kanjo,
Fahadisoam-panantenana
Indraindray fankahalana
No tojo azy tamin'ireny...
Neny!
Nahoana ianao no tsy miteny?
Sa ianao koa tsy tia
Ity zanakao ity?
Tsia!
Tsy afaka mamaly ianao
Fa satria efa nandao
Ity fiainana eto ity:
Efa ary an-koatra ary...
Neny!
Hangina koa aho ankehitriny
Ary tsy mba hanome tsiny
Fa izay rehetra mihatra
Avelao hivatravatra
Fa any andro iray any
Mba handaozako ity tany
Ka ho aminao eny
Ity zanakao ry Neny ...

RFE Andria - 01/03/15
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - fiainana
930 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 01/03/2015 19:15
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149