JESO AO ANATINTSIKA (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JESO AO ANATINTSIKA
ny manodidina toa makina
ny fanantenana toa maina
Tsarovy anefa fa misy Ranon'aina
dia Jeso, ao anatintsika

toa maizina ny tontolontsika
ka mampikitroka ny atifanahy
Tsarovy anefa fa misy ilay Fahazavana
dia Jeso, ao anatintsika

efitra angamba ny ho diavina
ka tsy hahitana izay azo ombàna
tsarovy fa misy Lalana
dia Jeso, ao anatintsika

mangetana sady tsisy aina ny rehetra tazanina
ka toa mieloelo ny fahalovana sy ny fahafatesana
tsarovy fa misy Fiainana
dia Jeso, ao anatintsika

manilikililka ny manodidina
irery isika toa kamboty kely
tsarovy fa misy Ilay akaiky
dia Jeso, ao anatintsika
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
842 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 13/07/2014 08:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139